<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry olona mbola tamana
 amin-dratsy,
 Hevero ny loza hihatra
 aminao
 Fa indro Satana izay lohan'ny
 ratsy
 Mandefa tsipika hamono
 anao.
 Kanefa ny Tompo izay
 Zanahary
 No tonga hamonjy, fa tsy mba
 manary ;
 Avia, ry olo-mahantra, hihary
 Ny tena harena tsy mety ho
 lo.

[V2]
 Jesosy mamoha anao,
 ry matory,
 Fa Izy maniry hitarika anao,
 Ilaozy ny ota, fa he,
 mampahory,
 Henoy ny feo miantso anao !
 Jereo Ilay kintana, Izay tsy ho
 rava,
 Fa indro ny aizina dia hisava ;
 Araho Jesosy, fa tena mazava,
 Izay hanazava tokoa anao.

[V3]
 Ny Tompo mamelona ny efa
 maty,
 Ka aoka hitsangana re
 hianao !
 Fadio tokoa izay mahafaty,
 Katsaho indrindra ny aina
 vaovao !
 Jesosy Mpamonjy no mba
 itafio,
 Ka dia tandremo fa lamba
 madio !
 Ry olo-mahantra mba raiso
 anio
 Jesosy, Izay mahavonjy anao.

[V4]
 Jesosy Mpamonjy mitondra
 ny teny
 Izay hahavelona mandrakizay ;
 Ka dia henoy ny toky nomeny,
 Ry olo-maniry ho amin'ny
 Ray !
 Fainganà tokoa, ry efa mifoha
 Fa indro ny lanitra efa mivoha,
 Ka faly indrindra ny Tompo
 tsitoha
 Hitsena ny zanany velona
 indray.</lyrics>
<title>Ry olona mbola tamana amin-dratsy FFPM397</title>
<hymn_number>397</hymn_number>
</song>